Menu principal:

Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny haninay isan’andro,
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
ary aza avela ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny Ratsy.
Vakiteny anio : “Famintinana marina tokoa ny Evanjely manontolo ny Fivavahan’ny Tompontsika”. “Tamin’ny nampitan’ny Tompo ho antsika io rijan-tenim-pivavahana io, dia nampiany hoe : “Mangataha, dia hahazo ianareo” (Jo 16,24). Ny tsirairay àry dia samy afaka manondrotra vavaka samihafa any an-danitra araka ny ilainy, nefa ny anombohana lalandava izany dia ny Vavaky ny Tompo, izay mitoetra ho vavaka fototra”. (KFK 2761)
TRINITE MASINA
KFK 253-256
253- Tokana ny Trinite. Tsy miaiky ny fisiana andriamanitra telo isika, fa Andriamanitra tokana ao amin'ny Olona telo : ny "Trinite Masina iray fombam-pisia-maha-izy". Tsy ifampizaran'ireo Olona-Andriamanitra ny maha-Andriamanitra tokana, fa ny tsirairay amin'izy ireo dia Andriamanitra feno sy manontolo : "Ny Ray dia iray ihany amin'ny Zanaka, ny Zanaka dia iray ihany amin'ny Ray, ny Ray sy ny Zanaka dia iray ihany amin'ny Fanahy Masina, izany hoe Andriamanitra tokana ihany amin'ny fomba aman-toetra". Izany fisiana izany no an'ny tsirairay amin'ny Olona telo, izany hoe ny fisia-maha-izy, ny foto-pisiana na ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra".
254. Tena miavaka tokoa amin'Izy ireo samy Izy ireo, ny tsirairay amin'ireo Olona-Andriamanitra. "Tokana Andriamanitra nefa tsy manirery." "Ray", "Zanaka", "Fanahy Masina" : tsy anarana ilazana fotsiny ny fombafomban' ny fisian-tenan'Andriamanitra izany, satria tena misy fiavahana mihitsy eo amin'Izy ireo samy Izy ireo : "Ilay izay Zanaka tsy Ray, ilay izay Ray tsy Zanaka, na ny Fanahy Masina tsy ilay izay Ray na Zanaka". Miavaka amin' Izy samy Izy Izy ireo eo amin'ny fifandraisam-pototr'izy ireo : "Ny Ray no niteraka, ny Zanaka no nateraka, ny Fanahy Masina no avy amin'ny Ray sy ny Zanaka". Misy Olona Telo ny maha-Tokana an'Andriamanitra.
255. Mifandray amin'Izy ireo samy Izy ireo, ny tsirairay amin'ireo Olona-Andriamanitra. Ny fiavahana misy amin'ireo Olona tsirairay eo amin'Izy ireo samy Izy ireo dia miorina irery ihany amin'ireo fifandraisana izay mampifandray ny tsirairay amin'izy ireo amin'ny samy izy ireo, satria tsy mampisaraka ny maha-tokana an'Andriamanitra izany fiavahana misy izany: "Raha ny amin'ireo anarana tsirairay momba ireo Olona tsirairay, dia ny Ray mifandray amin'ny Zanaka, ny Zanaka mifandray amin'ny Ray, ny Fanahy Masina mifandray amin'Izy anankiroa ; raha ireo Olona telo no lazaina, dia ny fifandraisany no heverina amin'izany, fa raha ny fomba aman-toetra tokana na ny fisia-maha-izy kosa, dia izay inoana". Satria, "tokana ihany izy manontolo ao amin'Izy ireo ka tsy misy ahitana fifanoheram-pifandraisana ao aminy". "Noho izany maha-tokana izany, ny Ray dia ao amin'ny Zanaka manontolo, ao amin'ny Fanahy Masina manontolo ; ny Zanaka dia ao amin'ny Ray manontolo, ao amin'ny Fanahy Masina manontolo ; ny Fanahy Masina dia ao amin'ny Ray manontolo, ao amin'ny Zanaka manontolo".
256. I Md Grégoire de Nazianze, izay antsoina koa hoe "ilay Teôlôjianina", dia nanankina izao famintinana momba ny finoana ny Trinite Masina izao tamin'ireo katekomena tao Constantinople :
Alohan'ny zavatra rehetra, tahirizo tsara ho ahy io raki-tsoa napetraka io, fa ho an'izany no ahavelomako sy iadiako, miaraka amin'izany no tiako hahafatesana, izay mahatonga ahy hiaritra ny fahoriana rehetra sy hanao tsinontsinona ny fahafinaretana rehetra : ny tiako holazaina, dia ny fiekem-pinoana amin'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Ankiniko aminareo izany anio. Amin'ny alalan'izany no hanitrihako anareo ao anaty rano rahefa avy eo, sy hampiakarako anareo avy ao. Omeko anareo ho namana sy ho mpiaro ny androm-piainanareo manontolo izany fiekem-pinoana izany. Omeko anareo ilay Andriamanitra tokana sady Mahery, dia ilay Tokana misy ao amin'ireo Telo, ary ao anatin'ireo Telo amin'ny fomba miavaka. Andriamanitra tsy misy faha-samy hafa eo amin'ny fisia-maha-izy na fomba aman-toetra, tsy misy ambaratonga ambonimbony kokoa izay manandratra na ambaratonga ambanimbany kokoa izay manetry. (…) Telo tsy manam-petra ilay miray fomba aman-toetra tsy manam-petra. Andriamanitra manontolo ny tsirairay dinihina ao amin'ny Tenany ihany (…), Andriamanitra Izy telo dinihina miaraka (…). Tsy mbola nanomboka nieritreritra ny maha-Tokana Azy aho, dia efa maninteraka ahy ao anatin'ny famirapiratany ny Trinite. Tsy mbola nanomboka nisaintsaina ny Trinite aho, dia efa nanenika ahy ny maha-tokana azy…